4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ovay ny fomba fanao - Laurent RAKOTOMAMONJY

Onena anao ny Tomponao ry Adama sy Eva vaovao

Voankazo efa nandrarana endrey fa mbola nangalana

Izato ianareo anie tena sahy fanahiniana ve sa tsy nahy

Efa voalaza hoe raha tsy izany natao ihany

Ry adama sy Eva anie tao an-tsaha raha vao nifoha ny maso-panahy

Ka nahita fa niboridana, lasa niafina niridana

Hianareo kosa efa mihanjaka hita fa tena mitanjaka

Tsy miery fa vao maika mivaoka ho hitam-bahoaka



Ry Adama sy Eva vaovao ovay ny fomba fanaonao

Manàna fahatsiarovan-tena re,  ialao ilay nahavoa tao edena

Ndeha ka mitafia fiainam-baovao miakanjoa fa aza manao toy izao e

Itafio Jesoa malala, lamba fotsy toa oram-panala



Onena anao ny Tomponao ry Zakaiosy vaovao

Toy ny voankazo iray malazo mihantona ery ambony hazo

Efa nandalo teo i kristy niantsoantso anao hoe avia

Nefa ianao sady tsy taitra no tsy niraika



I Zakaiosy anie taloha  raha vao nantsoin’I Tompo Jesoa

Nidina faingana toa tsy teo, nampiantrano azy avy eo

F’ianao tsy nety nidina ange hiandry hitsingidina ve

Izay ’ngamba  vao "Tompo ô vonjeo", Izy efa lasa nandalo teo



Ry zakaiosy vaovao ovay ny fomba fanaonao

Hiantona ambony fahotana foana ve

Hianjera eo ianao f’etsy ange

Midina faingana ampiantranoy Jeso

Ilay nandalo tamin’ny lalan’I Jeriko

Hohitanao ny fahasambarana, anio Izy vohay varavarana



Onena anao ny Tomponao ry ingahy Saoly vaovao

Manenjika ny mpanara-dia sy miankina amin’ilay Tompo tia

Mandrahona, ny hanao izay hahavoa

Zanaka, vady, Havana koa

Mandrara ireo tsy ho any an-tempoly, tena devoly



F’ingahy Saoly anie niova fo, lasa mpanaradia an’i Jesoa

Tonga mpitory sahy dia sahy, nihavao  saina fo sy fanahy

F’ianao ity  maika koa toa mandeha mihamanantona ny afobe

Fa mafy loha, toa vatolampy mpanompo sampy



Ry ingahy Saoly vaovao ovay  re fomba fanaonao

Aza manenji-dava ny Tompo, ialao io fa asa maloto

E! Jesosy anie tia anao ka izao re no tokony hatao

Raiso izy anio fa tsy manavaka

Sa hiandry ho jamba ve, ianao, vao hivavaka ?


Partager ovay ny fomba fanao

Commenter ovay ny fomba fanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY