4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Oroka - Man'dam

T@ izay andro izay

No nahakoboko hoe kay !

Oroka ankiray

Dia mahaova kofboay



Fa t@iny mihintsy I Lita kely mafy loha

Toa nanjary nankato

Fa tratran’ny bisou

Fa… dia naninona tokoa

No toa lasa ambiroa?

Nahita takamoa ve sa

….manao kitoatoa?

Dia ilay tsain iny iny mihintsy no atao ramatoa

Hoe hakarina izany, hono, @ volana aôut



Io oroka io mazana no mahavery ny akama

@a ora fiasana  mbola eny am-parafara!



Maniry ho adala,

Miantso fahotana

Mirongatra tsy tana

Mitady hafanana!



Io oroka io mantsy rehefa tsy tanty

No mahatonga ny tary ho lasa mitapy!





Dia misy mihintsy ny oroka misarma

Haintsika io! Ary Tonga dia hampiarina!

Koa dia asiany ranomaso,

Midona kely @ alina,

Ny SMS tsy an-kijanona,

Ataony manimanina

Lasa be ny adin-tsaina

Ny revy tsy mandamina

Eo ity no raisina sady savla no fanina

Fa tratran’ny tsipaka! Tchak! Itchak!

IIII!

Efa maro ny akama no hitako milentika

Tsy voa androany io fa mpitranga matetika!

Raha tsy ratsy ny fihetsika

Nôfanôfa ny ketrika

Tsy mahalala andro pelika

Tsy mahatombana ny vera

Niova tanteraka tsy toy ny taloha

Marary fo kay ilay Ikoto beloha!

Mihetsika kely dia “I love you!”

Raha tsy omen-dRamatoa dia

Mitondrina ny loha!



Misy tsy mahatanty fa manoroka marary

Mihanaka ny aretina dia asan’ny hopitaly

Mihevina ny etsy, mikohaka ny aroa

Bonne année angaha tsy maintsy BIZOU!!

Vao mifankahita dia takolaka aloha

Indraindray tsy kobo intsony hoe 3 sa 2

Eto tsy misy mihintsy hoe madio sa voretra

Fa miara-mitakosona eto isika rehetra!



Fa ilay indray andro izay

No tena tsy nilay

Nidiran’angano

Nanoroka mamo

Midofaka ny fofona

Mandrehoka ny kofona

Ny volom-bava tsy miala

Fa mitady rasoir!

ILAY RANON’IVY

NO TENA NAHAKIVY!!!

Nisolitika, nifiritika, manome laginina

Razoky eto tsy manaiky manao MR BEAN!



Fa raha misy koa ny oroka tena maha-kizitina

Dia ilay tantine miseho mitsingitsingina!

Mifangaro ao daholo ny zesta, ny frime!

Miseho milay raha ny any be pôzy, be style!!



IZAHAY AKORY TSY MILAZA HOE “RATSY NY OROKOROKA”

FA NA NY BANDY KOA AZA MBA TIA MISAKOROKA!!

OMALY, NY ANIO, RAHAMPITSO, SY NY HO AVY

MBOLA HIFANOROKOROK’ETO ISIKA MIANAKAVY!!!
























Partager oroka

Commenter oroka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Man'dam