4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeo ahy - Laurent RAKOTOMAMONJY



Tompo ô! omeo ahy ny fo madio

Mba hahaizako mitia Anao

Meloka aho kanefa ahitsio

Mba tolory ny famindramponao





         Fa mahery mandresy ihany koa

         Izay rehetra miankina aminao

         Afaka ahiahy, miadam-po

         Mahatoky ny manana Anao





Raha ny heloka efa vitako,

Menatra aho

Na dia ny hanonona ny Anaranao

Efa nanao izay ratsy indrindra aho,

Teo imasonao

Indrisy resin’izao tontolo izao,

Ry Tompo

Fahafantesana anie,

No mendrika ho ahy izao

Nefa navotanao

Fahaverezana mandrakizay

No sahaza ahy hatramin’izay

Partager omeo ahy

Commenter omeo ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laurent RAKOTOMAMONJY