4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeko anao - Alain & Malala

1.Omeko anao tsisy fetra ny fitiavako rehetra

Satria ianao no nahay nanintona ny foko

Raiso re raha sitrakao, fa tsy hanenenao

Raiso fa ho anao irery izany



2.Omeko anao avokoa izay mety ho fanirian’ny fo

Ny masonao, ny tsikinao, nambabo ahy tokoa

Raiso re raha sitrakao, fa tsy hanenenanao

Raiso fa ho anao irery izany



Fiv :Izay sitrakao, dia manjary tiako koa

Satria ianao no andry iankinan’ny foko

Izay maminao, manjary mamiko ihany koa

Omeko anao (omeko anao), omeko anao ny fiainako



3.lahy sy vavy :

Omeko anao ny tanako hitantana ny dianao

Hioty voninkazo sy hanafosafo indray

Omeko anao ny fitiavana sy izay rehetra irinao

Raiso fa anao irery izany





                                                 Alain & Malala

Partager omeko anao

Commenter omeko anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Alain & Malala