4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omaly tolak'andro - Mahaleo

Omaly tolak' andro
Rehefa tolak' iny ny andro
Nigogogogo nitomany izy
Tsy mety ritra ny ranomasony.

Nanontaniako izy
Tsy mety miteny
Nanontaniako izy
Tsy mety mamaly
Fa inona ihany ary
No mahazo ary
Marary kosa angamba ny fony (2)

Nanambitamby izah'
Nanambitaby izah'
Tsy nety
Tsy tambitamby ho' ah'
Tsy tambitamby ho' ah'
No ilaina (Fa inona e ?)

Ny alahelo rehefa arahan-dranomaso
Dia toy ny rahona arahan-dranonorana
Rehefa lasy ny tomany
Ny fo ho ravoravo
Rehefa lasa ny andro ratsy
Hibaliaka indray ny andro

Fa ny fiainana eto an-tany
Dia tsy vitan' ny tomany
Fa ny onjan' ny ankaso
Dia tsy resin-dranomaso
Fafao ny ranomaso
Ka jereo tsara
Fa ny aty tsy kilalao
Tsy kilalaon-jaza

Ka na ho aiza ialahy
Ka na ho aiza ialahy ry sakaiza
Tsy maintsy misy ho' ah'
Ny manenjika an' ialahy
Ny mitifitra an' ialahy

Fa androany tolak' andro
Rehefa folak' iny ny andro
Folaka koa ny alahelony
Nijanona ny ranomasony

Manantena ho' ah'
Manantena ny masoandro
Rahampitso, rahampitso tolak' andro
Mbola ho avy lahy
Mbola ho avy lahy ny masoandro
Rahampitso tolak' andro.

Partager omaly tolak'andro

Commenter omaly tolak'andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite