4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omaly aky - Mahaleo

Omaly akia toa tsy halazo
Mamelana maintso toa ravin-kazo
Omaly akia lavitry ny ahiahy
Ravoravo fanahy, tanora ka sahisahy
Omaly akia tsy fantatra ny tahotra
Tsy mba mahita izay zava-tsarotra
Omaly akia izao fiainana izao
Izay rehetra natao toa kilalao
Omaly akia tsy ho rendrika
Mtsikitsiky toa miran'endrika
Izay nanjo tsy nahoana avokoa
Hay ny nampitony fo toa voninkazo tsy lo
Ankehitriny felana mavo
Miandry ny andro izay hahalavo
Ankehitriny antitra tsy afa-mihetsika
Milolalola   fihetsika
Miandry izay hampitentika
Omaly akia lavitry ny ahiahy
Ravoravo fanahy
Tanora ka sahisahy

Partager omaly aky

Commenter omaly aky

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite