4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Olon-tiana - Ny Ainga

OLON-TIANA



Tena sambatra ny manana olon-tiana

Olona iray tena tiana sady tia

Mifampitantana tsy resim-pihafiana

Fa fitiavana nomena ho doria



Na dia misy izay mambabo an-dalana eny

Tsy mizara roa ny fony fa iray

Tsy atakalony harena ilay nekeny

Fa ny azy rehefa iny dia izay



Rehefa lasana any an-tany lavitra any

Ny eritreriny manjohy mahatsiaro anao

Raha sehatry ny sedram-pahoriana

Indro izy eo anoloana tsy mandao



Fomban-javatra ny miady ombieny ombieny

Fa ny marina izy tsy mahafoy anao

Na dia tsotra ianao dia tsy mba afoina ho irery

Tiany ery ny misakambina aminao



Tena very izay manary olon-tiana

Aza ariana hoy aho raha mbola mba mitia

Fanajana aloha no atolotra mangina

Mifanaja dia mateza ny fitia


Partager olon-tiana

Commenter olon-tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite