4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira O ry tanora o! - BETTY

O ry tanora o!, etsy kely anie ianao

Henoy kely izao teny izao

Ry tanora tsy hendry, fa manapatra ditra

Ny rano ao an’ony, izay feno dia feno dia mbola ho ritra

Misy ny sasany amin’ny tanora

Tsy mety miasa fa variana midola

Ny sasany kosa miasa isan’ora

Miadana ery mampiasa ny vola



Fiverenana :

Ny baiboly dia milaza mazava aminao

Hoe mifalia nefa aoka ho fantatrao

Any am-parany any, dia mbola hotsaraina ianao

Ity misy hafatra tsara ho anao, mibebaha dieny izao.



Misy ny sasany kamo dia kamo

Ao ihany koa ireo mpampiditra angano

Ny sasany kosa tsy misy mpifehy

Ka manantena ilay halatra be.


Partager o ry tanora o!

Commenter o ry tanora o!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BETTY