4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toky fitia - Ny Ainga

Toky Fitia (Asnah) (Ny Ainga)

Mpihira : Ny Ainga
Mpamaky : 609
Nampidirin'i : zouas
Tamin'ny : 23/09/2008 08:18:34
ID : 5381
Na ho jaly na ho tomany
No ho fiainako eto an-tany
Tsy ho kivy fa safidy
Na ho tojo izay mangidy
Na tsy hisy ny harena
Tsy hanary an-katerena
Fa izany no porofon’ny fitiavako anao

Na ho sedra sesilany
No ho làlana eto an-tany
Tsy mba resin’ny hakivina
Izay tantanan’ny olon-tiana
Fa mibitaka tokoa
Manan-jara anao ny fo
Tsy hamela anao ny foko
Fa hanjohy anao ety

Raha misy izay manjo
Na manohina ny fo
Aza dia miady irery
Fa inty aho, hanome hery
Satria izany no porofon’ny fitiavako anao
Hasambarana ho ahy
Zay ho anao ka tsy manahy
Ny fitopiko aminao
Dia efa hery amin’ ny atao
Tsy maniona akia,
Inty aho…matokia…
Fa izany no porofon’ ny fitiavako anao

Raha hisy izay hanjo
Na hanohina ny fo
Zay rehetra sitrakao,
ambarao fa dia hatao x 2
Hataoko izany h@ izao
Ho fitiavako anao (x2)

Partager toky fitia

Commenter toky fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite