4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antsoy jesosy - Noely

Raha vao mifoha ny maraina ianao antsoy Jesosy

Izy ’lay tokana tsy mandao antsoy Jesosy

Amin’zay olana mitatao antsoy Jesosy

Fa tsy misy zavatra mahagaga izay tsy hainy(in-2)



Misy olana ve ny ao an-tokantrano

Vady manitsaka sady mamo

Mampitaraina mihitsy hoe aleo tsy misy

Zaza maditra mamalivaly

Fianakaviana toa mifamaly

Ny mpiara-miasa mifampialona indrisy



Maro ny mbola tsy voatanisa

Reo fahoriana iainantsika

Tonga adin-tsaina sy tena tsy ahitana tory



Raha vao mifoha ny maraina ianao antsoy Jesosy

Izy ’lay tokana tsy mandao antsoy Jesosy

Amin’zay olana mitatao antsoy Jesosy

Fa tsy misy zavatra mahagaga izay tsy hainy(in-3)



Fa tsy misy zavatra mahagaga izay tsy hainy(in-3)

Partager antsoy jesosy

Commenter antsoy jesosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Noely