4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiahy - Nate

efa fantatrao ihany f' izany hoe rehefa tia
tsy misy miafina izany , nifanaiky ho doria
Tsy sangisangy ny ato am-poko nifanaiky isika hiara-droa
Nifandefitra tokoa


kinanjo taty aoriana izao teo toa variana
ianao lasa iny tavela izao nangina
Ty fonao tomany, ty endrikao mijaly
izao miandry ny hiverenanao aty


ny foko nefa lasanao any
fano alahelo ao ka mirotsa-tomany
aza adino fa nefa indray andro any
ireo izay nataonao ahy mbola anody anao indray
fa lasa ianao dia tsy nanahy



Nanantena anao teo ihany, na dia mafy tamiko aza izany
Ankehitriny tonga saina aho fa ampy angamba izay
Any an-kafa indray, no hamafana ireo Tsiahy
Ny momba anao rehetra hatrizay

Sarotra ny anadino, anao ilay tokana iny
Ianao lasa iny , tavela izao nangina
Na mafimafy ihany ny foko tsy hitomany
Tsy miandry, ny hiverenanao aty



ny foko nefa lasanao any
fano alahelo ao ka mirotsa-tomany
aza adino fa nefa indray andro any
ireo izay nataonao ahy mbola anody anao indray
fa lasa ianao dia tsy nanahy


Mbola lavitra, tsarovy anie ny lalanao
F'indray andro any mbola hiaona eto indray
Amin'izay fotoana izay, izao indray no hampatsiahy
Fa tsisy toearana ho anao ka sao nenina


k'aza adino
ny foko nefa lasanao any
fano alahelo ao ka mirotsa-tomany
aza adino fa nefa indray andro any
ireo izay nataonao ahy mbola anody anao indray
fa lasa ianao dia tsy nanahy

Partager tsiahy

Commenter tsiahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nate