4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpinamana - Nataly

MPINAMANA



1)Mpinamna izao izaho sy ianao ka iray saina

Hiara – hikalo sy hilalao fa iray aina

Halahelo sy tomany ho lalaina

Hisedra ny ratsy sy ny tsara tsy hitaraina



Ireo tsy tia sy mpakahala ho lasa adala fa

Isika roa hiriaria hiara-dia fa



Izaho dia namanao, tsy hamadika anao

Tsy hanafina aminao

Hizara fifaliana ka, hanampy anao aho

Handray ny tananao

Na amin’ny soa na amin’ny mafy dia eo akaikinao



2)Na ho lasa lavitra tsy hanadino anao

Fa ny fanahy ny fo ny saiko miahy anao

Izay misakana handrava sy handrodana

Ny maso miratra mahamay



Ireo tsy tia sy mpakahala ho lasa adala fa

Isika roa hiriaria hiara-dia fa



Izaho dia namanao, tsy hamadika anao

Tsy hanafina aminao

Hizara fifaliana ka, hanampy anao aho

Handray ny tananao

Na amin’ny soa na amin’ny mafy dia eo akaikinao



3)Na ho maro ireo sedra sy taraina

Tsy hisakana ahy tsy ho eo anilanao

Fa raha fitiavana no ilaina

Ka ho matotra sy ho salovana





Izaho dia namanao, tsy hamadika anao

Tsy hanafina aminao

Hizara fifaliana ka, hanampy anao aho

Handray ny tananao

Na amin’ny soa na amin’ny mafy dia eo akaikinao



Izaho dia namanao, tsy hamadika anao

Tsy hanafina aminao

Hizara fifaliana ka, hanampy anao aho

Handray ny tananao

Na amin’ny soa na amin’ny mafy dia eo akaikinao



Nataly sy Mihary

Partager mpinamana

Commenter mpinamana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nataly