4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay ve - NARISOA

Hay ve ny fitia mety miova, manam-petra koa

Tsy nosainiko, fa nataoko sy nohajaiko hatrizay

Efa sitrakao ny handao, mandehana mahita re ny soa

Fa sanatria izaho tsy hitomany anao



Hatry ny elabe no efa nilazako taminao

Fa io fitiavana io, mandra-maty anie fa tsy mba lalao

Nefa sitrakao ny handao, tsofin-drano mahita re ny tianao

Raha toa anao, sanatria tsy very anjara ety



                    ( intermède musical )



Sao noheverinao fa tsy tsapako hatry ny ela fa...

Ny fitiavanao, mbola tia kanefa koa te hilalao

Koa izay sitrakao atao, fa ny aty tsy mitaraina tsy mitalaho

Masina re, fa mora ny hanadino anao



                    ( modulation 1 ton )



Hay ve rehefa tia dia noheverinao fa resy koa

Ka sahinao natao ny nanitsak’ireo dina soa hatrizay

Koa efa sitrakao ny handao, soava dia

Tsy omena tsiny raha tsy tamana

F’izaho anie, efa leo raha izay fitiavanao.

Partager hay ve

Commenter hay ve

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARISOA