4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny vavakay - Joy K

Ry Ray ao ambony o! mba tahio,

Ty andro nomenao anio,

Ry Ray ao ambony o mba avelao,

Reo ota maro izay natao.



Ry Ray ambony o tahio re ny Reny

Fa volana niaviana izy ireny,

Ho antsika raha mbola eo izy henoy raha miteny

Mafy anie ny kamboty reny.



Réf:

Satria Fitiavanao an’i zao tontolo izao,

No nanomezanao ilay lahitokanao,

Ka mba raiso ny fifonanay,

Ry Tompo o, mba henoy ny vavakay.



Amin’ny Fiainanay an-tany ety

Eo ny mpankasitraka eo koa ny tsy tia

Ambino ireo mpanohana anay

Mba tahio koa ireo mpanenjika anay ry Ray.



Ry Ray ao ambony o! mba tahio,

Ty andro nomenao anio,

Ry Ray ao ambony o mba avelao,

Reo ota maro izay natao.





ww.joyk.net

Partager ny vavakay

Commenter ny vavakay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joy K