4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tompo momba anao - A.M.A.F

Ianao ilay hoe tsy manam-piahy,

Amin’izao fiainana izao

Matokia dia aza manahy,

Fa ny Tompo momba anao

Ianao ilay hoe mosarena,

Diso anjara fitiavana

Ho anao ny famonjena,

Dia ilay tena havana



Fiv :

Fa ny Famonjen’i Kristy

Manome fiainam-baovao

Manasitrana ny fo

Naratran’ny adim-piainana tety



Koa raha mandeha miampita ny ony,

Tsy hanafotra anao izy anie

Aza miherikerika intsony,

Fa ny Tompo momba anao

Aza ataonao ho irery ianao,

Raha manary anao ny havanao

Ny olombelona no mandao,

Fa ny Tompo momba anao

Partager ny tompo momba anao

Commenter ny tompo momba anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F