4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lasantsika - Mahaleo

Ny lasantsika tsy hay hofafana
Tsy mety mangatsiaka fa tadidiko mazana
Ireo safosafo sy angolangola
Namela afo tsy mety tola


Toa tsy tantin’ny saina ny mieritreritra fa
Ianao ilay nolalaina mitampify an-tratran’olon-kafa
Ireo teny mamiko naverinao ho azy
Hay izy ireny tamiko mbola vazivazy


Izaho no namafy, ny hafa no nijinja
Izao indray no niafy fa nilaozanao nifindra
Natao lamba tonta aho, natsipy toa rovi-damba
Zary natontatonta,lany tsirony angamba


Ilay vatanao mangovitra raha tojo hafaliana
Ny ambany miovitrovitra, tsara karakaran’olon-tiana
Ny rangotrangotrao tratra hafa no ratrainy
Reo antsoantsonao, ny molotrao notsenainy


Tsy ilay nisolo toerana no ankahalaiko
Fitia tsy azo ferana, ny fahavaloko hajaiko
Fa ianao kosa mbola antenaiko
Mbola tsy afa-trosa, izaho ve dia hiala maina

Partager ny lasantsika

Commenter ny lasantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite