4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hirako - Mahaleo

Ny hira, ny hirako
No mba hany namana
Itodihana, itodihako
Rehefa manimanina

      Manimanina ny ankany
      Manina ny tanindrazana
      Izay any ambadika any hoa any
      Lavitra tsy hita tazana

Ny hira, ny hirako
No alefako miampita
Itsidihana, itsidihako
Ny any ambadika tsy hita

      Izy no mitanisa
      Ny alaheloko aty
      Sy zava-maro tsy hita isa
      Mampanahiahy ahy

Ny hira, ny hirako
No alefako mamangy
Ireo havana, ireo havako
Mba iarahany misangy
   
      Hitoetra ao ampo
      Ampon'ny tsirairay
      Hisolo toerana ao aloha
      Mandrapaha-tonga ahy

Partager ny hirako

Commenter ny hirako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite