4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - Mahaleo



Neny (3), Neny nitondra biby ankibo

Neny nibaby varatra

Neny fola-damosina



  Nitaiza biby antrano ianao

  Ka raha tsy afolakao

  Tonga izy dia hitroatra



  Raha gaigy ny zanakao

  Hisavorovoro ireo olona

  Handeha hamono ilay biby



Neny (3) ...



  Vaky ny tafotranonao

  Hanidina ny zanakao

  Hanaraka ny habakabaka



  Zaza teraka amoron-drano

  Hanonja ny fiainany

  Hohadinony ny reniny



Neny (3) ...



  Tantananao ny diany

  Itsahiny ny lohanao

  Nefa ianao tsy hiteny



  Hihazakazaka handeha

  Ny volana sy ny taona

  Ho aiza izao ’lay zanakao



Neny (3) ...

Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite