4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira N'iza n'iza - Lola

   ref :N'iza (2) izy olon'ambony
            n'iza (2) olona mana-mbola
            fa malemy hatrany be dia be ireo mitomany
            fa mbola ampijalin'io fitiavana io


Tsy hay ferina raha io fitiavana io
na tsy hisoka-bava aza
na koa hisaron-tava
ny fihetsika ihany dia manambara

Ny zava-misy toa mifanohitra
fa ny tsiky indray nandositra
toa tsy mihery toa mangovitra
ny any anaty tsy miovitra

Tsy voafetra ny herin'ny fitivana
tsy vitsy ny mifankatia nefa mpihavana
tsy hay nanarina lalim-paka
loatra angamba sa adalana

Na aizim-pito na alaviran-tany
tsy rarahina fa mamikiviky hatrany
lavitry ny fitaintainana
matoky ny fisainana

Partager n'iza n'iza

Commenter n'iza n'iza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite