4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Indray hariva - Mireille

Indray hariva izay
Sento sisa neti-nody ee
Nialoha lalana ahy
Namonjy ny fodiana
Eny eeee
Eny mamy raha hitohy
Niriko tsy ifankafoy ooo
Izay alehanao, alehoko avy koa ry lay
Raha lavitra ahy ianao
Izato dia toa tsy ho veriko irery
oooo , lasa foana ny heritreritra
Ireo ora niarahana
Mitaberina ao antsaiko ireo
Ireo teny nisarahana

Indray hariva izay
Sento sisa neti-nody
Nialoha lalana ahy
Namonjy ny fodiana
Eny eeee
Eny mamy raha hitohy
Niriko tsy ifankafoy ooo
Izay alehanao, alehoko avy koa ry lay
Raha lavitra ahy ianao
Izato dia toa tsy ho veriko irery
oooo ,lasa foana ny heritreritra
Ireo ora niarahana
Mitaberina ao antsaiko ireo
Ireo teny nisarahana

Tsy tafandry ny alin'iny
Nitanisanisa ireo fahiny
Na rotsy mpifaliana na ady nifandirana
Eny oooo,
Toa tahirim-bolamena
Ho vasoka rahoviana
Nandrasako ny hery itiavana
Ankehitriny moa
Indro izaho irery no hanarina
ka hanoy ity tantara
Iandrandra izay mahasoa
Ny fatsiarovana anao anie
Himpody hery hampionina ahy, indray

Indray hariva izay
sento sisa neti-nody ee
Nialoha lalana ahy
Nilazaon'olotiana aaa

Partager indray hariva

Commenter indray hariva

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille