4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tolory tanana - Mimi Rafrah

Mandondom-baravarana
Mahatsiaro mila anareo namana
Mba mila fanampiana fa
Irery tsy mba manana

Midododo mandeha mitady
Mahatsiaro ho hazo boboka amoron'ny hady
Ka mila fanampiana
Mba ho entina hiady


Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eto ambavahady (2)


Fa kotsakotsan'ny orana
Nefa izahay tsy mba manan-kialofana
Ka mila fanampiana
Fa ny tena efa torovana

Midododo mandeha nitady
nahatsiaro ho hazo boboka amoron'ny hady
Ka mila fanampiana
Mba ho entina hiady


Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eto ambavahady (2)


Mandondom-baravarana
Mahatsiaro mila anareo havana
Mba mila fanampiana fa
Irery tsy mba manana

Partager tolory tanana

Commenter tolory tanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mimi Rafrah