4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy toa anao - MIANGALY

Tsy misy atakako ilay Fitiavana natolotrao Ray ô !

Tsy misy mahasolo izay vitanao, nataonao tamiko

Tsy misy azo antoka hanome fiainana afa-tsy Ianao

Tsy misy mpanalalana afa-tsy Jesoa Kristy Ilay Zanakao



Lehibe Ianao, tsy misy toa Anao

Ny hery anananao tsy hay toherina

Tsitoha Ianao, tsy misy toa Anao

Asandratro avo ny Anaranao



Lehibe Ianao, tsy misy toa Anao

Rehefa miasa Ianao tsy misy hahasakana

Tsitoha Ianao, tsy misy toa Anao

Hihira foana aho ho fiderako Anao

Partager tsy misy toa anao

Commenter tsy misy toa anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIANGALY