4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy afeniko - MIANGALY

And.1 (in-2)

Andriamanitra ô tsy afeniko

Ny hetahetam-poko ato anatiko

Fa hohiraiko sy hoteneniko

Ny eo anilanao no mba satriko



N’aiza n’aiza làlan-kizorako

(Ny) Sandrinao dia tsy mba hialako

Fa namaha ny gadra-fatorako

Nampisinda ny fahantrako



Fiv.

Tsy ho hadinoko eny tsaroako (eny tsaroako)

Iny rà nalatsakao iny

Fa nandratra mafy ny ati-foko (ny ati-foko)

’Lay rà marina ts(y) (m)isy tsiny



(in-2)

Reharehako mandramaty

Ireo hazoroan’ny fitia

Niaretanao ireo mafy

Mba ho ahy mpanota mania



And.2 (in-2)

Dia nolavinao ny ara-nofo

Hanavotanao ny toa ahy

Tsy nahoanao ny ompa nifofo

Hay Ianao niady am-panahy



N’aiza n’aiza làlan-kizorako

(Ny) Sandrinao dia tsy mba hialako

Fa namaha ny gadra-fatorako

Nampisinda ny fahantrako



Fiv.

Partager tsy afeniko

Commenter tsy afeniko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIANGALY