4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ray tsitoha - MIANGALY

Ray ô Ianao no niantso ahy

Ka tazony aho

Fa tsy mahatazona Anao

Ka na mifofo hanenjika ahy

Ireo fakam-panahy

Tsy hampihontsona ahy



Ray ô Ianao nifidy ahy

Ka mampianara ahy

Hitia tahaka Anao

Ka na maro aza ireo

Mankahala ahy

Hitia aho noho Ianao



Ray ô Ianao nanafaka ahy

Ta(o) (a)naty haizina

Noho ny famindramponao

Ka na maro aza ireo

Mitady hampiverina ahy

Tsy atakaloko Anao



Fa Ray Tsitoha Ianao

Tsy misy ny toa Anao

Fa Ray Tsitoha Ianao

Tsy misy ny toa Anao



Fa Ray Tsitoha Ianao

Tsy misy mihintsy toa Anao

F’ilay fitiavanao

Mampiavaka Anao amin’izao tontolo izao

Partager ray tsitoha

Commenter ray tsitoha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIANGALY