4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandrakizay - MIANGALY

Avelao hanaraka anao

Hanandratra hatrany ny anaranao

Efa atoam-poko hatrizay

Ka raha sendra sarotra indraindray

Eo foana ianao ry Ray

Ampy hanazava hitari-dalana

Na homafy aza ny fiaianana iainanay ety

Dia tsy mampanahy f\\’Ianao hanarina

Hatrizay aho tsy nanao izay sitra-ponao

Ka ny androko sisa dia natokako ho Anao

Mahatsiaro ihany aho ny ny fiainako tsy ampy

Manahy hatrany hatrany ny anio sy ny ho avy

Toa zary fitarainana

Nefa teo foana ianao

Hatramin\\’izay ka hatramin\\’izao

Ny fahasoavako ihany Tompo ô! no naha toy izao anay

Ireo namana sy ireo manodidina ahy

Hanompo Anao

Raha mbola etoan-tany  hatrany an-danitra any

E!e!

Mandrakizay raiso ho Anao ry Ray

Tano ho Anao ny tenanay,fonay

Hanompo Anao ka tahio ry Ray

Ho fahazavanao,tano ho Anao izahay

Ray!(4)Aleloia!(2)Ouh!Ouh!Ouh!

Amen.

AMBONDONA.








Partager mandrakizay

Commenter mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIANGALY