4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fatra-pankafy - MIANGALY

    Raha fatra-pankafy ny tany ianao

    Tsy ho azonao ny lanitra

    Io rendrarendra izay tsy foinao io e !

    Mandalo, tsy maharitra

       Tsy miafina aminao sakaizako o !

       Tsy ilaozam-pahoriana ety

       Fa tsara ho fantatrao ry namako o!

       Ilay fifaliana am-paradisa ary

     Tena sambatra tokoa

     Izay tafiditra ao an-dapa soa

     Mipetraka eo anilan’ny Ray

     Fiadanana mandrakizay

       Fa tery ilay varavarana

       Hidirana ao an-danitra ao

       Kanefa aza kivy fa andao

       Hifampitantana mankao

          Mahaiza fotsiny ho’aho mifankatia

          Dia mankato ny Teniny

          Ampanjakao am-po Jesoa Kristy

          Dia mandrimandry ilay ary


Partager fatra-pankafy

Commenter fatra-pankafy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIANGALY