4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankisisika - MIANGALY

      

      Ankisisika io , ankisisika io

      Io Fanjakan’ny lanitra io e!

      Ankisisika io , ankisisika io

      Izay no tadidio e !

      Ankisisika io , ankisisika io

      Tery tena tery ny vavahadin’io

      Ankisisika io , ankisisika io

      Io Fanjakan’ny lanitra io o!



          Be dia be ireo izay manantena

          Hahazo mora izany Famonjena

          Rehefa mba miditra am-piangonana dia ampy

          Amin’ny Paka sy ny Noely,tsy hadino velively



              Misy ireo antokom-pivavahana

              Mijoro maro samihafa

              Fa ny mba mahafatifaty azy e !

              Ny hanenjika an’ary, hanaratsy ny an’ity



                  Sao mba misy ireo izay manantena

                  F’izy io vitan’aferafera

                  Manantena, mahatoky ny harena

                  Ho vidiana volabe, vatosoa sy volamena



                      Misy koa tantaram-pirazanana

                      Anankinana ny Famonjena

                      Ireo razambe taloha mpivavaka mafana

                      Manantena ny ato aoriana

                               fa ho voavoha midanadana .

Partager ankisisika

Commenter ankisisika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIANGALY