4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsikaritra - Man'dam

Ref: Fa ambony sy ambany iz’ty

Face A dia face B

Recto sy verso io ô !

Tsy kobonao ny ambadika ao



Asa ianao raha nahatsikaritra

Fa toa miangatra ny lanitra

Misy tsara manimanitra

Misy maimbo tian’ny lalitra

Dia nozarainy ho isam-paritra

Ireto zanak’Andriamanitra

NY tsara hira sy finaritra

Dia ny mahay mivavaka maharitra !

Eny Ivandry, tsara faritra

Dia noforoniny ny andralanitra

Tsy azo atao mahafinaritra

Ie ! Tohizo ny miharitra

Fa ny fiainana eto anie ho sarotra !



Ref: Fa ambony sy ambany iz’ty

……………………………………..

Dia asa koa raha kobonao

Fa tsy ny pôzin’ity olona no ahafantaranao

Izay kinasa sy tolona ao anatiny ao

Fa ny tany feno fitaka

Ny kakana mibitabitaka

Efa maro sesehena

Ny akoho sy volamena

No mitobaka eny an-tsena!

Izaho izao an mahalala mpivaro-tena

Tsy eny Analakely intsony

Tsara mbala, tsara vam,

Sakaizana mpitondra ambony



Izaho koa mahalala mpitandrina fiangonana

Mangalatra, manolana

Mody mitarika rehefa tolona

Sady tena tian’ny olona !



Ref: Fa ambony sy ambany iz’ty

……………………………………..



Misy akama iray izay an ministra taloha

Voaroaka t@ fitondrana tsy lasa masoivoho

Ankehitriny izao efa movement taloha

Eny SabNam eny lasa mampiady akoho



Ny anakiray iry koa aza tara t@ ny mozika

Mba te ho mpanakanto kay sary indray mipika

Izao izy mitapy , mikondrana mivika

Tsy tody pazzapa no tsy tian’ny Soabika



OAY! ‘le razoky iry koa an sportif be taloha

Fa @ izao fotoana izao ny volo aza misy hao

Nanofokofoka tery fa hoe mpanao rugby

Kay nivadika horera vao tsy lany Maki!!!



Ref: Fa ambony sy ambany iz’ty

……………………………………..



Fa asa izay nanao ahoana ikala kely iry

Vao hoe nisara-bady nipetraka any an-dafy

Nitrosa vola be, nanamboatra taratasy

Miaraka @ lahy antitra fa te ho vazaha mafy!



Asa koa raha hitanao fa nivoaka gazety

Tsy dia tsaroakoroako loatra hoe i Manandafy sa i Pety

No nivoaka à la une t@ teny Ampeftety!

EMMO-NAT e ! CAPSAT E ! Nifandimby nanao fety !

‘le politika @ izao aloha efa tena mampi-degà

Fenoina Antanimora, 13 mai dia Tsiafahy

Io resaka tsy mora fa ho anisan’ny masahy !

Antsoiko ny mpihira dia miakara @ zoma e!

Aleo ihany hoa ohatrantsika hoa !

Na dia mbola lavitra ny dia

MIADY LAVA @ PIRATY SY MIHIRA HO AN’NY MPANKAFY!

Mihirahira eny dia manao poezia

REHEFA IO NO HAIN’TY

DIA IO NO ANKAN’TY FY!!!!






Partager tsikaritra

Commenter tsikaritra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Man'dam