4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy fotoana - Man'dam

Nisy fotoana reveko be ny bikanao

Ilay hitako lava eo @ fahitalavitra eo

Dia …. Ataonao lasalasa saina mihintsy aho

Miolakolana vao maraina amiko eo ianao



Nefa, tsy tiako mainty ny hiranao

Sady tsisy tonony koa ny mozikanao

Dia tsy asiako feony izany rehefa ianao e!

Fa…. Aleoko fotsiny mankafy anao amin’izao!



Indraindray lany henatra mihintsy ianao

Ka taitaitra daholo ireto havanao

Ireto vatan-dehilahy rehetra mahita an’izao

Sambisamby te hanolana anao



Hono oa! Kolontsaina va ny anaran’ireny, hoy ianao?

Ndry!! Izany ny revy mafana!

AAA ka!!! Ankafiziko mihintsy ny revinao ry malala a!!

Ny bandy koa ange ka adala e!!



Reveko tanteraka mihintsy ianao

Mbola ho tratrako ianao ry Madama!

Iantsoako mersa mihintsy ianao

Hi-styliavako hatrany @tanàna!! (???!!!! ?????!!!!!)







Zà a! mba miangavy anao raha azo atao

Mba rahoviana ianao io no malalaka?

Sa mbola maro ny alohako ao?

‘reo mpakafy miandry tataka



Ho ankalazaiko mihintsy ange ny anaranao e !

Hoe “ilay mpitsinjaka tsy mety valaka!”

Dia ho tonga amin’ny faran’ny avo ianao

Ho tampi-daza ary tsy mba ho raraka!



Hivadika vola ny entanao

Na kawitry ny anao na kilalaka

FA MAHAY ZAVATRA  LOATRA ANDRIAMANITRA!!!

Ka … ho sambatra sy ho finaritra ianao



Ary ho asiany tonony ny hiranao!

Fa ianao no solon-tenan’ny faritra

Sady ireto vahoaka efa miandry anao

Efa akaiky izao ny asaramanitra



Ahita an’andafy amin’io ianao!

Jejojejo @ tany aman-danitra

Hidingindrambo tanteraka mihitsy ianao

Kevokevoka sy ho finaritra!



Manitra! Aa!!!!

Partager misy fotoana

Commenter misy fotoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Man'dam