4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofin'ny alina - Mahavanona

Tonga ny alina,hanofisana anao

Hikimpian’ny masoko indray

feon-dokanga arahin-gitara no re

miantso anao hiverina indray



ilay akanjonao,’lay nentin-nande

Sao mangitsy ny any aminao

Ireo hiranao fony mbola tety

mbola mamin’ny molotro



Nofin’ny alina sisa

Sisa namana

Hiafiana ao indray f’efa maika ny handeha

Sao d tratry ny andro maraina



Ny tantaranao,zay tavela ao am po

Tsy ho adino mandrakizay

Ny hasambaranao sy ny fiainako ety

Mbola hafa ny antsika roa



Ilay sarinao nahaontsa ny fo

Mifono taratrao tena tia

Nofinofinao,nofy hiadanako

Misy hanamisàna aminao






Partager nofin'ny alina

Commenter nofin'ny alina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahavanona