4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manan-kavana - Mahavanona

Manan-kavana  dia  ilay  havako izay

tiako sy mamiko mandrakizay

tsy hay hadinoina na oviana oviana

mandrapaha-tonga ilay ora fodiana    o! o! o! o!

Havako anie izy zany, havako

ny anarany tsy afaka ato am-bavako



O ry volana any ambony

ny taratrao mba alefaso

hanazava izato fony

hadio izay antsoantso o! o!

dia ilay herinao miserana

hampitony ny fitserana

ka e! e! eny an-dalan’ny fitia aaa

no iarahanay mandrakizay doria aaa




Partager manan-kavana

Commenter manan-kavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahavanona