4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isika roa - Mahavanona

Isika roa mpifankatia

Isika roa mahay miara-dia

Isika roa dia mifamatotra

Isika roa tsy afa-miala



Tsy vitsy ireo zava-bita

Voarakitry ny tantarantsika

Maro be tsy ho tanisaina

Fa mivangongo ao an-tsaina



refrain:

Ny omaly hohamafisina eto anio

Ny androany ho taratry ny ampitso

Ny taona izay mifanesy

Iombonantsika avokoa



Ireo zay tsy tia fa mila kisa

Hisompatra koa ny diantsika

Ho sasa-poana izy ireny

Fa ny aty dia efa zatra



Ny zava-drehetra izay mitranga

Na inona koa izay midona

Mafy ny orina ny anay é

Ka ho iray mandrakizay


Partager isika roa

Commenter isika roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahavanona