4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra Ô! - Mahavanona

Andriamanitra ô!

Ambarao anay hoa 'zay tena marina.

Ny fiainanay ve,

efa voatokana ny tsy hilamina?

Tsy hitanao ve?

ity fiananay toa sangodim-panina.

Miangavy anao mba hidina

fa misy lohan'angidina

'zahay zanakao.



Fa may,

May ahita anao hoa ny zanak'olombelona

amin'izao fotoana izao.

Fa ho ay!

Magneto sy Disque no enti-manafana

ny fidinanao avy any an-danitra.



Andriamanitra ô!

Fa tsy mba misy Afera ve

ahazoanay miakatra any?

'Zay mibebaka ihany ve

no hahita izany fanjakan'ny lanitra?

Hialàna tsiny re!

Fa ny fotoana tena mbola sarotra.

Tsy izahay no maditra,

fa ny Revy no tsy ritra.

Fa mino anao 'zahay



Fa may,

May ahita anao hoa ny zanak'olombelona

amin'izao fotoana izao.

Fa ho ay! Ray lay be fitiavana

ka afaka hanome potipotiny ho anay,

ondry mafy loha.



Andriamanitra ô!

Ny loza mety hiseho re, hambarao anay.

Ny hafanana be, areti-maro

hain-tany sy ny sisa.

Orohoron-tany re, namoizanay olona analin-kisa.

Antsoy an-téléphone ah! (Antsoy an-tariby).

Raha misy cyclone ah! (Sanatria hoe Tsünami).

Homananay indray.



Fa may,

May ahita anao hoa ny zanak'olombelona

amin'izao fotoana izao.

Fa ho ay!

Aza miandry ela ianao

raha hamaly ny antso an-taratasinay

fa zava-marina.



{Fa Ray! Ray lay be fitiavana

ka afaka hanome famindra-po ho anay}.



Ry ambani-lanitra ô!

Miteniteny foana aho, angamba hoy ianao.

Partager andriamanitra Ô!

Commenter andriamanitra Ô!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahavanona