4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voankazo voarara - Mahaleo

VOANKAZO VOARARA

Raha ity fiainana ity no lazaina
Dia izao no hataovy hataovy ao an-tsaina
Mihodina indray
Miserana ihany
Feno hasomparana feno tomany

Raha vao latsaka ety an-tany
Dia injay sahady fa efa tomany
Mila hafanana
Mila fitia
Mbola lavitra mantsy ny dia

Soloy fitiavana ny andronao sisa
Ny fotoana anie ka efa voaisa
Efa voafetra sy efa voafaritra
Ka anjaranao sisa miharitra

Mifankatiava raha mbola velona
Izany indrindra no maha-olombelona
Mifanapia
Mifanasoava
Fa ny rahona mainty mbola hisava

Rahampitso anie mbola ho vovoka ihany
(Raha ity fiainana ity no lazaina)
Hody taolana sy vovoka an-tany
(Dia izao no hataovy hataovy ao an-tsaina)
Hitovy saranga
Hitovy anjara
Fa nihinana voankazo voarara

Fa nihinana voankazo voarara (in-droa)

Partager voankazo voarara

Commenter voankazo voarara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite