4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fo sy saina - Mahaleo

Aza kivy ianao akamako
Resy tsy miady tsy mba namako
Herezo hatrany

Aza aondrika ny lohanao
Sao dia rendrika ny herinao
Hatrakao ihany

Tantely sy vahona
Izany fiainana
Masoandro sy rahona

Ao anatin'ny ngidy
Ilay mamy sarobidy
Fa tsy tonga ho azy

Raha mbola misy fofon'aina
Io no hery entina miainga
Tsy ho lavo an-tany

Mahavalalanina izany fiainana
Tsy laitra zakaina
Izany indrindra no ilàna namana
Iarahana mamindra

Atolory ahy ireo tananao
Manomboka androany
Tsy irery ianao
Hiaraka hatrany

Tantely sy vahona...

Partager fo sy saina

Commenter fo sy saina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite