4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia antsokosoko - Mahaleo

Hira : FITIA ANTSOKOSOKO
Mpihira : MAHALEO


Fantatro fa tsy azo atao
Meloka aho minia mitia anao
Saingy tsy voatanan'ny foko
Ny Hitia anao antsokosoko

Notanako am-po tsy miloaka
Noferaka tsy navelako hivoaka
Kanefa toa hery tsy haiko tohaina
Tiko ho dradradradraina

Fa ianao anilako eo
Hitako sy reko feo
Toa akaiky nefa tsy tananako
Tsy ho ahy iano fa fantatro

Ny taonantsika koa manelanelana
Izaho efa halazo ianao vao hamelana
Ny ahy misy tady eny ambozonana
Midiridiry tsy hay takonana

Ny lalantsika tsy hifanantona
Tsy hihaona akory dia indro mihantona
Samy tia nefa tsy manantena
Ny lalantsika tsy hifanena

Partager fitia antsokosoko

Commenter fitia antsokosoko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite