4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Firaisan-kina - Mahaleo

Novakivakiana   ny firaisan-kina
Tsy hoe tsy fidiny io fa fanahy iniana
Ny fizarazarana izay hanjakana
Nataon’ny mpanjanaka io ho fitondrana

Nandova izany ary ra-Malagasy
Tsy nahay nandova tsara fa nandova ratsy
Ka nanao ilay fomba fanao mampifandrafy
Tsy ho mora anefa ny hijinja ny nafafy

Ianareo izay nafarana e,
Hamitrana fihavanana
Vao maika koa mampizarazara

Tsikalakalam-bola lasa sarobidy
Tsikalakalam-pihavanana manomboka tsisy
Very fanahy mahagasy ny fiaraha-monina
Kiry biby vao lasa olona tsy miora   mionona

ny takalo-patsa vidim-pihinanana
izany izao no malaza ka hifaninanana
nahazo toerana ra-fahalalahana
mikisakisaka amin’izay ireo tsy ampy fananana

ianareo izay nafarana e
hanavotra tanindrazana
vao maika koa mampivandravandra

ianareo izay nafarana e
hanavotra tanindrazana
tsisy haro-fanina izao ny tanàna

isika malagasy zanaka amam-para
tsy nahay nandova an’i Madagasikara
ty nosin-drazana lazaina fa masina ity e
ny mpanota afdy indray izao no manjaka ety

isika malagasy aoka tsy hifanome tsiny
ny heloka rehetra anie tsy an’ireo vahiny
aza kivy fa tsy vola ihany no atao fanarenana
firaisan-kinantsika koa lalam-panorenana

isika izay hanangana e
ndao hiaraka hanangona
ho vato fototry ny malagasy

isika no hanangona e
fifanomezan-tanana
ho fototr’ilay trano gasy (2)..

Partager firaisan-kina

Commenter firaisan-kina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite