4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainan'antaninarivo - Mahaleo

Manimanina ny any aminay   izaho e !
Manimanina te-hody e
Ny foko izay malahelo
Tsy haiko ny hanaovana azy e !
Izaho tsy manam-bola handehanana hody (2)
Efa tonga efa ela be 'zaho e !
teto Antananarivo
Nikarama efa ela be 'zaho e !
teto Antananarivo
Nefa dia hatramin' izao
tsy nahangona vola firy
Ny frais mbola tadiavina
K'aleoko mijanona a !

Mahatsiaro ny any aminay aho ry nama
Dia te hody ! Dia te hody an !
Ny fiainan' Antananarivo
iharaha-malala fa tsy te halala
Ny fiainan' Antananarivo
iharaha-malala fa tsy   mahatamana
Mitsakaraka vola isan-andro
ka mandreraka, ka mandreraka
Samy maka ho azy daholo
tsisy iainana, tsisy iainana

O ! ry akamako , omeo korazy aho
Fa mitady ho reraka
O ! ry akamako , omeo korazy   aho
Mba ho entiko hiady
O ! ry akamako   a ! aza avela ho irery aho
'Ndao mba hiaraka
O ! ry akamako a ! omeo korazy aho
Tsara raha miaraka.

Partager fiainan'antaninarivo

Commenter fiainan'antaninarivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite