4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fera-para - Mahaleo

Mbola zazakely ialahy tamin’izay
Tokony ho telo taona na efa-taona teo
Tsy mahatsiaro tena
tsy mahafantatra ny tany

Indray andro maty tampoka ny dadan’ialahy
Rafahafatesana mandondom-baravarana
noheverin’ialahy fa hitondra kilalao

Lasa feno voninkazo ny tranonareo
feno olona manao ankanjo maintimainty
feno fera-para misy fofona hafahafa

Kely ialahy dia nahalala
izany fahafatesana (2)

Tokony ho fito taona lesy ialahy na 8 taona
Milalao irery ao atsinanan-trano
Milalo irery fa tsy mba misy namana

Mamonomono biby ny asan’ialahy
Na mandevina valala anaty tranon-afokasoka
Rehefa avy eo mivavaka dia mody mitomany

Rehefa mody ao an-trano ialahy indraindray dia variana
Fa mahita lolo-paty ao ambany fandriana
Lolo-paty mainty be tsy matahotra olona

Kely ialahy dia nahalala
izany fahafatesana (2)

Herinandro lasa izay
dia henon’ialahy
ilay sakaizan’ialahy ao Antsirabe
dia maty tao amin’ny hopitalin’ny Andranobe

Nahazo fera-para ary ialahy t@ izany
ka nalahelo mafy tsy naha-tomany
fa mahasoso-paty ny fiainana tany

Kely ialahy dia nahalala
izany fahafatesana (2)

Manontany tena ialahy hoe
mba aiza i dada, aiza ireo sakaiza
sy namana nalevina

Any ankoatra any ve sa any Ambondrombe
Any an-danitra any sa kosa afobe

kely ialahy dia nahalala
izany fahafatesana (2)

Partager fera-para

Commenter fera-para

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite