4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faribolana - Mahaleo

Olona samihafa loko , samihafa firazànana
Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana

Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara
Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara

Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana
Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana

Toy ny ankizy miara milalao , toa lavitry ny olana
Jereo ireto izy   malaina hifandao manao faribolana

Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana
Fa tsara sy   mamy aok’izany izany hoe mifampihavana

Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana
Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana

Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika
Antsoiko hoe ndao isika hiray tsy misy voasarika

Fa misy ny loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana
Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana

Partager faribolana

Commenter faribolana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite