4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mama sera - Mahaleo

Inty misy lalam-pirenena fahadimy ambin-telopolo

Izy io dia mbola lalam-pirenena saingy efa adinon’olo



Raha miainga avy any Antananarivo ianao

Handeha ho any Morondava

Ireo tànana lalovanao manan-tantara tsy lefy laza

Ao Ambatofinandrahana ao isika no maka bahana

Mandalo Itrimo, mandalo Amboropotsy

Ao Mandrosonoro isika tsy mandry fotsy



Hôtely Mandrosonoro, hôtely tsy adinon’olo

Mamasera dia anaran’olo

Olo mandray olo

Ron’angivy no ataony ao

Tsy adinoko hatramin’izao

Anamalaho no hanfangaro azy

Io no tsy hafoizako azy



Hôtelin’i Mamasera, nampifanerasera

Falifaly ny vôaiazera, ravoravo ireo saofera

Hôtelin’i Mamasera, nampifanerasera

Ravoravo ireo saofera, falifaly ny vôaiazera



Hono ho aho ry Mamasera

Inona no laokan’ireo saofera

Henankisoa sy ravitoto

Amin’izay tsy mirotoroto



Hafa ihany i Mamasera

Mitsinjo ny ain’ny vôaiazera

Inona hoy aho ry Mamasera

Tranon’amalona no arosoko

Vokatry ny foko

Tranon’amalon’i Mamasera

Ranon’apango ao anaty vera

Mihanahana ny vôaiazera

Ravoravo ireo saofera



Hafa ihany Mamasera

Mitsinjo ny ain’ireo saofera

Olombelo tsy akoho (2)

Izay no tadiavin’i Mamasera

Mijanona matetika ireo saofera



Hôtelin’i Mamasera, nampifanerasera

Falifaly ny vôaiazera, ravoravo ireo saofera

Hôtelin’i Mamasera, nampifanerasera

Ravoravo ireo saofera, falifaly ny vôaiazera



Tohizantsika ny lalam-pirenena faha-35

Avy ao Mandrosonoro mandalo an’Anjiana

Tanàna malaza mananjiana

Mandalo Malaimbady

Tànana malaza tsy tia vandy

Mandalo Ankilizato

Malaza manana kily miisa zato

Mandalo Mahabo

Tanàna malaza amin’ny toerana avo

Dia tonga ao Morondava

Morona malaza fa lava dia lava

Fa ny ranomasina mitady handrava

Soa ihany fa ao ireo renala reharehan’i Morondava



Izay ny tantaran’ny lalam-pirenena faha-35

Mbola lalam-pirenena saingy efa adinon’olo

Partager mama sera

Commenter mama sera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite