4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malagasy blues - Mahaleo

Mpiara-monina natao fahavalo

Satria nitady fanovana

Nofaizina natao fahirano

Satria hono tsy tan-dalana

Marina anie izany raha maba laingako

Lalana anefa natakalo asa dahalo

Madagasikara indray no nataon-dry zalahy nahamay

Lalana ny dahalo

Tsy lalana ny be sy ny maro

Madagasikara indray tsy avelany ho kila sy may



Ny ratsy atao loza mihantona

Soa atao levana-bola

Fiainana enti-belona no enti-maty

Raha mbola velona mahaiza-mamafy

Marina anie izany raha mba laingako

Ny tody tsy misy ny atao no miverina

Ny mandrora mitsilany

Tsy afaka amin’ny zanak’olombelona

Ny tantara fahagola

Fanovozam-pahendrena

Tsy takatrin’ny mafy loha

Mila fanetrehatena





Tanimbary fotaka aomby biby vola taratasy

Ny taranaka no harena sarobidy

Hoy ny fahendrena malagasy

Marina anie izany raha mba laingako

Ny zanaka amam-para

Taniketsan’i Madagasikara

Raha vao ratsy kolokolo

Isika ihany no hijinja mololo

Tantara fahagola

No hapetraka ho an’ny tanora

F’izay very tantara

Dia ho ratsy fiafara

Izay very tadidy

Mandeha any amin’ny lalana tsy izy



Dama - Mahaleo

Partager malagasy blues

Commenter malagasy blues

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite