4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maina - N`FANAH

Tsy tonga lafatra

Nefa kosa tsy dia naditra

Misy amin-dry zareo ,mievitra azy ho toy ny alika

Tsy mampaninona izay fomba fisainanao

Fa maina ny azy no mba tiany



Ny fanenjehana azy, tsy norarahiny intsony

Nefa indraindray maratra ihany aloha ny fony e!

Tsy mampaninona izay fomba fisainanao

Fa maina ny azy hono tsy mba hariany



Samy olombelona miaina sy maka mamy

Nahoana ary aho no tsy mba tiany e!

Antsika mianakavy anefa anie ny tany e!

Fa ny maina ny azy no mba fifaliany



Nahoana no toa somparanao sy fohananao ny mba fisiany

Mampitomany, mampitaraina e!

Samy mpandalo ihany isika , samy mpivahiny

miraisa fo fa mpiray aina



Misy ny mpampaory, fa hoe an’azy ny tanana

tena mahasosotra ahy fa hoe an’azy ny lalana

Tsy mampaninona izay fomba fisainanao

Fa maina ny azy no mba tiany



Miseho ho mpivavaka , nefa tsy hita hoe mankaiza

Izy hono zana-kondry, f`izahay hono ratsitaiza

Tsy mampaninona izay fomba fisainanao

Fa maina ny ahy no fifaliako




Partager maina

Commenter maina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe N`FANAH