4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maina - Menalootsa

Mingaingaina lava zao ,mampitresaka ati-doha

Mampikaka ndry vazaha sy manorina hodi-doha

Masoandrobe mandoro ,mampirongatra kijeja

Mandrehitra tontolo ,mampidegany adala

Migaingaina lava zao ,mampitresaka ati-doha !

Mandrehitra tontolo ,mampidegany adala



Maina...



Fahoriandra-olombelona ,ny tsy fananana ariary

Mba ahafahany mivelona soa aman-tsara tsy marary

Fahatapahana mazàna ,efa mila hanala aina

Fitadiavana karama ,fanafody tsy ahamaina

Nitetitetika ny hatavy ,kinanjo niala maina o!

Ireo "jolis" miseho favy fa gina savilaina



Maina...



Karazam-bokatry ny tany ,mandefa lavitra vinany

Saro-pady lafo vidy ,tafa roa dia mahadidy

Voarara mafy ny lalàna sy voahenjika eto an-tany

Fa voasokajy fahotana ny fihinanana an’izany

Karazam-bokatry ny tany ,mandefa lavitra vinany o!

Voasokajy fahotana ny fihinanana an’izany



Maina...kaya...ganja...


Partager maina

Commenter maina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Menalootsa