4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahereza sy matanjaha - ANTSAN'i ZIONA Manjakandriana


MAHEREZA SY MATANJAHA

Ry mpanota ô!
Mba hevero anie
Ny ota izay natao
Nandavanao ny Ray
Nanambitamby Izy
Nanolotra fitia
Kanefa tsy nahazo
Anao r'ilay nania

REF: Mahereza re,ry Fiangonana ô!
Matanjaha tokoa,mba ho an'i Jeso
Mahereza re ry Fiangonana ô!
Matanjaha tokoa mba ho an'i Jeso
(Mahereza re ry Antsan'i Ziona ô!...)

Ry mpaniasia ô!
Mba sainonao tokoa
Ny ditra sy ny hadalana
Vitanao zay tsy nahasoa
Nitalaho mafy Izy
Nilela-paladia
Mba Hitodihanao
Ry ondry zay nania

Ry olombelona ô!
Meteza re ka avia
Hanantona ny Tompo
Lay Ray zay be fitia
Namoy ny ainy Izy
Hamonjena antsika re
Handovana lay paradisa
Edena soa ary

Partager mahereza sy matanjaha

Commenter mahereza sy matanjaha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANTSAN'i ZIONA Manjakandriana