4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mafy e! - Thiera BRUNO

Mafy rehefa ory

Na noana aza tsy maintsy matory

Mafy raha mbola mahantra

Na te hiambo aza toa mila hantra

Mafy rehefa tsy manana

Mihodin-kavia. mian-kavanana

Tsy mety mahita ny rariny

Voatsindry foana ny anjarany



Na marniratra aza ny andro

Tsy mitondra hazavana

Na mafana aza ny masoandro

Mangatsiaka mamanala

Mafy e ...



Mafy raha mbola malemy

Na te-hamaly aza tsy hafa-miteny

Tsy mainrsy manaiky ny be sandry

Mitebiteby foana,tsy tafandry

Mafy raha mbola voazoga

Rosona mangidy dia migoka

Tsy manan-tsafidy fa manaiky

Na dia voalohany aza dia taraiky



Na mamiratra aza ... mamanala ...

Mafy e ...


Partager mafy e!

Commenter mafy e!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera BRUNO