4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsitsitsitso ! - LOIC

9. Tsitsitsitsio

Maozatra ny fiainana
Mampiferinaina mankahia
Iza no itarainana ,
Rakoto sa Randria ?
Ny rehetra no mitady
samy makamaka ho azy
Ny andraikitra miavosa
maro be no boka trosa

Refrain:
Tsitsitsio! ento mora ny vola rafotsy
ô! Ô!
Mbola be no hatao ny vahiny zao efa ho avy
Tsitsitsio alamino ny kaontikaontinao
ô! Ô!
Mailomailo ianao aza mibolila fa miady

Tsitsitsio ento mora ny vola rafotsy
ô! Ô!
Mbola be no hatao ny vahiny zao efa ho avy
Tsitsitsio alamino ny kaontikaontinao
ô! Ô!
Mailomailo ianao aza mibolila fa miady

Aiza no hitady vola
rehefa tapaka sy lany
Aleo miafina dia ovy
no mameno ny vilany
Aleo koa mba mahaleo tena
na dia hiaran-tsy fisiana
Ny ahy ny tanjona kendrena
tsy ilako famatsiana

Refrain:
Tsitsitsio! ento mora ny vola rafotsy
ô! Ô!
Mbola be no hatao ny vahiny zao efa ho avy
Tsitsitsio alamino ny kaontikaontinao
ô! Ô!
Mailomailo ianao aza mibolila fa miady

Tsitsitsio ento mora ny vola rafotsy
ô! Ô!
Mbola be no hatao ny vahiny zao efa ho avy
Tsitsitsio alamino ny kaontikaontinao
ô! Ô!
Mailomailo ianao aza mibolila fa miady

C
Aza manantena olo hamonjy vola zao
Olon-drehetra efa sahirana tena kikina
Fandanianao asio totaly
fitantananao atokisako
Ny mitrosa aloha byebye
be loatra ny “interêt”.

Interlude

Refrain:
Tsitsitsio! ento mora ny vola rafotsy
ô! Ô! …
Mbola be no hatao ny vahiny zao efa ho avy
Tsitsitsio alamino ny kaontikaontinao
ô! Ô!....
Mailomailo ianao aza mibolila fa miady

Duo

Tsitsitsio! ento mora ny vola rafotsy
ô! Ô! …
Mbola be no hatao ny vahiny zao efa ho avy
Tsitsitsio alamino ny kaontikaontinao
ô! Ô!....
Mailomailo ianao aza mibolila fa miady

TSITSITSITSIO!

Partager tsitsitsitso !

Commenter tsitsitsitso !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LOIC