4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira I kristy - Leivyh

I Kristy (2) Izy ihany no afaka hanavotra ahy
I Kristy (2) 'lay be fiantrana tena tsara fanahy

Afaka (2) handrotsaka ny fahasoavana
Afaka (2) hanome ny fiadanana

1) Hiaro amin'ny sarotra i Kristy
Tsy hamela ahy hiady irery Izy
Hisava mora foana ireo olako
Tompo ô miandry Anao! Izao tontolo izao

I Kristy (2) Izy ihany no afaka hanavotra ahy
I Kristy (2) 'lay be fiantrana tena tsara fanahy

2) Namory ireo mpianany Apostoly
Nanome lesona tena lafatra
Noheloina ho faty Izy fa atahorana
Haka ny fahefan'ny fitsarana

I Kristy (2) Izy ihany no afaka hanavotra ahy
I Kristy (2) 'lay be fiantrana tena tsara fanahy

3) Latsaka ny rany hamonjy antsika
Niaritra ny mafy sy ireo maditra
Maty izy nalevina, nitsangana indray
Niakatra any an-danitra ho eo anilan-dRay

Jehovah (2) Izy anie ilay Dadan'i Kristy
Jehovah (2) Izy 'lay Mahery nanao ahy

I Kristy (2) Izy ihany no afaka hanavotra ahy
I Kristy (2) 'lay be fiantrana tena tsara fanahy

Partager i kristy

Commenter i kristy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Leivyh