4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ranomasina (hery ralainarivo - Lapé)

RANOMASINA

Lapé (Hery Ralainarivo)



Dobodoboka horakoraka

Injany heno manako

Manambara f’efa akaiky izao

’Lay ranomasimbe

Onja avo manatelina raha tsy mitandrina

Koa mahaiza ianao miala

Fa sao lasany any.





Injany, injany onja manonjanonja

Mifafifafy toy ny ranonorana

Mitambolombolona eny amin’ny harambato

Mifoaka mafy tsy miato.







Ranomasina io anie

Sady soa no fahavalo

Ao no misy ny harena

Ao mety mampimalo

Fatratra jerena

Tsy misy farany

Ranomasina mivembena

Sy torapasika.



Injany, injany onja manonjanonja

Mifafifafy toy ny ranonorana

Mitambolombolona eny amin’ny harambato

Mifoaka mafy tsy miato.

Partager ranomasina (hery ralainarivo

Commenter ranomasina (hery ralainarivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lapé)