4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy ohatra an'i neny (lola - Lahy)

Fa sarobidy loatra raha i neny

Lalim-paka ao am-po

Ao an-tsaina ombieny ombieny

Tsy manan-tsahala mantsy ny fitiavany

Teny mamy foana no aloakin’ny vavany

Fa faniriany ny hahasambatra ny zanany

Tsisy ohatran’iny fa dia tiany



REF:

Raha mbola eto an-tany aloha

Tsy misy hoatran’i Neny

’Lay fitiavany ihany no tsy mba lany

Na adala na hendry na maditra ny zanany

Tiany foanafoana



Ny sangisangy sy tambitamby isan’andro

Tena avy ao anaty na maraina na atoandro

Ny iray minitra nandaozany tsy andriny

Satriny ahita azy foana any an-tsandriny

Fon-dreny izany,hafa ihany,

Maharitra na ngidy na mamy




Partager tsy misy ohatra an'i neny (lola

Commenter tsy misy ohatra an'i neny (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite